CCC 1
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Andriamanitra, Lavorary indrindra sy Sambatra tanteraka ao amin’ny Tenany ihany, araka ny fandaharany feno hatsaram-panahy madio tsy misy pentina, dia nahary an-kalalahana ny olombelona mba hanana anjara amin’ny fiainany sambatra. Izany indrindra no anakaikezany ny olombelona, amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra. Antsoiny izy, ampiany hitady Azy, hahalala Azy ary ho tia Azy amin’ny heriny manontolo. Antsoiny ny olombelona rehetra naparitaky ny fahotana mba hiray ao anatin’ny Fiangonana fianakaviany. Mba hahatanteraka izany, dia naniraka ny Zanany Izy ho Mpanavotra sy Mpamonjy, nony feno ny fotoana. Ao amin’io Zanany io sy amin’ny Alalany no iantsoany ny olombelona hanjary zanaka atsangany, ao amin’ny Fanahy Masina, ka ho mpandova ny fiainany sambatra.
Vakio ny toko manontolo Teny mialoha ¶1–25