CCC 10

Tsy mahagaga, noho izany, fa tamin’ireo hetsika taorian’ny Kônsily faharoa tao Vatikana dia noheverin’ny Papa Paoly VI (ho katesizy lehibe amin’ny androm-piainana ankehitriny) fa nisarika indray ny saina aman’eritreritra ny katesezin’ny Fiangonana. Ny “Torolalana ankapobeny momba ny Katesezy” tamin’ny taona 1971, ny fotoam-pivorian’ny Sinôdan’ny Eveka natokana tamin’ny fitoriana ny Evanjely (taona 1974) sy tamin’ny katesezy (taona 1977), ny taratasy famporisihana apôstôlika mifandraika amin’izany, “Evangelii nuntiandi” (taona 1975) sy “Catechesi tradendae” (taona 1979), no manaporofo izany. Ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny Sinôdan’ny Eveka tamin’ny taona 1985 no nangataka “mba hanoratra boky katesizy na famintinana ny fitambaram-pampianarana katôlika rehetra momba ny finoana sy ny môraly” Tatitra farany II B a 4.. Niombon-kevitra tamin’io faniriana nipoitra tao amin’ny Sinôdan’ny Eveka io ny Ray Masina Joany Paoly II sady niaiky fa “mamaly tanteraka ny zavatra tena ilain’ny Fiangonana manontolo sy ny Fiangonana tsirairay izany hetaheta izany” Lahateny tamin’ny faha-7 desambra 1985.. Nandray an-tanana ny raharaha ny tenany ho fanatanterahana izany fanirian’ireo Eveka mpandray anjara tamin’ny Sinôda izany.

Vakio ny toko manontolo Teny mialoha ¶1–25