CCC 11
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Ny kendren’ity Katesizy ity dia ny manolotra famelabelarana voarindra sy voafintina, ny votoaty sy ny fototry ny fitambaram-pampianarana katôlika momba ny finoana sy ny môraly, avy amin’ny fitsilovan’ny Kônsily Vatikana faharoa sy ny fitambaran’ny Lovam-pampianaran’ny Fiangonana. Ny Soratra Masina, ny Aba masina, ny litorzia ary ny Toniam-pampianaran’ny Fiangonana, no loharano lehibe nanovozana azy. Natao ampiasaina izy ity “ho fanovozan-kevitra amin’ny famoronam-boky katesizy na famintinam-pampianaram-pinoana eo amin’ny firenena samihafa” Sinôdan’ny Eveka 1985, tatitra farany II B a 4..
Vakio ny toko manontolo Teny mialoha ¶1–25