CCC 1210

I Kristy no nanorina ireo sakramentan’ny Lalàna vaovao, ary fito no isany, ka ireto avy izany : ny Batemy, ny Fankaherezana, ny Eokaristia, ny Fivalozana, ny Fanosorana ny marary, ny Filaharana ary ny Fanambadiana. Mahakasika ny dingana rehetra sy ny fotoan-dehibe rehetra amin’ny fiainan’ny kristianina ireo sakramenta fito ireo : ny fiterahana sy ny fitomboana, ny fanasitranana sy ny fanirahana eo amin’ny fiainam-pinoan’ny kristianina. Amin’izany, misy fifanahafana marina eo amin’ny dingam-piainana voa-Janahary sy ny dingam-piainana ara-panahy jer. Md. Thomas d’A., s. th. 3, 65, 1.

Vakio ny toko manontolo 2. Ny sakramenta fito an’ny Fiangonana ¶1210–1690