CCC 14

Ireo izay an’i Kristy tamin’ny finoana sy ny Batemy, dia tsy maintsy manambara ny finoan’izy ireo tamin’ny Batemy, eo anatrehan’ny olona jer. Mt 10,32; Rôm 10,9.. Araka izany, velabelarin’ny Katesizy aloha ny hoe : inona no maha-izy ny Fanambaràna, izay amin’izany no itenenan’Andriamanitra sy anolorany ny Tenany amin’ny olombelona, sy ny hoe : inona no maha-izy ny finoana, izay amin’izany no ampifanarahan’ny olombelona ny valin-teniny amin’ Andriamanitra (sampana voalohany). Ny sembolin’ny finoana no milaza ny fotopototry ny fanomezan-tsoa omen’Andriamanitra ny olombelona, noho Izy Mpanao ny soa rehetra, noho Izy Mpanavotra, noho Izy Mpanamasina, sy mampifandray an’ireo amin’ny “toko telo” maneho ny Batemintsika – ny finoana an’Andriamanitra tokana : Ray Mahefa ny zavatra rehetra, Mpahary; sy i Jesoa-Kristy, Zanany, Tompontsika sy Mpamonjintsika ; ary ny Fanahy Masina, ao amin’ny Fiangonana Masina (sampana faharoa).

Vakio ny toko manontolo Teny mialoha ¶1–25