CCC 1565
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Noho ny sakramentan’ny Filaharana no andraisan’ny Pretra anjara eo amin'ny sehatra manerana ny tany tontolo amin’ny iraka nankinin’i Kristy tamin’ny apôstôly. Ny fanomezana ara-panahy izay noraisin’izy ireo tamin’ny fanamasinana no manomana azy ireo, tsy ho amin’ny iraka noferana sy nahena, “fa ho amin’ny iraka mitondra famonjena mahenika ny tontolom-piainana, “hatrany amin’ny faran’ny tany” RFP 10., “vonona amin’ ny fo tokoa hitory ny Evanjely na amin’ny toerana aiza na amin’ny toerana aiza” FP 20..
Vakio ny toko manontolo 3. Ny sakramenta fiandraiketana ny fiombonana ¶1533–1666