CCC 16

Ny fizarana fahatelo amin’ity Katesizy ity no mampiseho ny tanjom-piafaràn’ny olombelona noarìn’Andriamanitra mitovy endrika Aminy : ny hasambarana sy ny lalana hahatongavana amin’izany : amin’ny asa amam-pitondran-tena mahitsy sy tsy voafatopatotra, miaraka amin’ny fanampian’ ny lalàna sy ny fahasoavan’Andriamanitra (sampana voalohany); amin’ny asa amam-pitondran-tena izay anatanterahana ny didim-pitiavana roa, voavelabelatra ao amin’ny Didy folon’Andriamanitra (sampana faharoa).

Vakio ny toko manontolo Teny mialoha ¶1–25