CCC 18
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Novolavolaina ho famelabelarana voarindra momba ny finoana katôlika manontolo ity Katesizy ity. Noho izany, ilaina ny mamaky azy ho toy ny iray tsy mivaky. Ny fampahatsiahivana maro be averina eny an-tsisin’ny lahatsoratra (mari-daharana natao sora-mandry manondro ireo paragrafy hafa mifandraika amin’ny hevitra resahina) sy ny tondro ara-poto-kevitra any amin’ny faran’ny boky, no ahafahana mahita ny fifandraisan’ny foto-kevitra tsirairay amin’ny fitambaram-pinoana.