CCC 188

Ny teny grika symbolon dia midika hoe antsasa-javatra iray novakìna (ohatra : fitomboka iray), izay aseho ho mari-pifamantarana. Atambatra ireo sila-javatra ireo mba hanamarinana ny maha-izy manokana an’ilay mitondra izany. Noho izany, ny sembolin’ny finoana no mari-pifamantarana amam-piombonan’ny samy mpino. Manaraka izany, ny symbolon dia enti-milaza fanangonana, fanatambarana na filazana ambangovangony. Noho izany, ny Sembolin’ny finoana no amboaran’ny votoatim-pahamarinan’ny finoana. Izany no mahatonga azy ho fanovozana voalohany sady fototry ny katesezy.

Vakio ny toko manontolo 2. Ny fiekem-pinoana kristianina ¶185–1065