CCC 2

Mba hanakoako manerana ny tany izany antso izany, dia nirahin’i Kristy ny apôstôly izay nofidìny tamin’ny nanomezany azy ireo fahefana hitory ny Evanjely : “Mandehana ianareo, ataovy tonga mpianatro ny firenena rehetra, manaova batemy azy ireo amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, ary ampianaro izy ireo hitandrina izay rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo lalandava ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao” (Mt 28,19-20). Nahazo hery tamin’izany iraka izany ny apôstôly, ka “lasa nitory hatraiza hatraiza, ary niara-niasa tamin’izy ireo ny Tompo, sady nanome hery ny Teny tamin’ny famantarana nomba azy” (Mk 16,20).

Vakio ny toko manontolo Teny mialoha ¶1–25