CCC 2090

Raha nanambara ny Tenany sy niantso ny olombelona aza Andriamanitra, dia tsy afaka hanome valiny manontolo ny fitiavan’Andriamanitra amin’ny herin’ny tenany ihany ny olombelona. Koa tsy maintsy manantena izy fa Andriamanitra no hanome azy ny herim-pahazoany mamaly fitia Azy amin’ izany, sy ny hery hanaovany ny asa amam-pihetsika mifanaraka amin’ny didim-pitiavany. Ny fanantenana dia fiandrasana amim-pitokiana ny fanambinan’ Andriamanitra sy ny fahitana Azy amim-pahasambarana ; ny fanantenana koa dia tahotra ny haniratsira ny fitiavan’Andriamanitra sy ny sazy mafy aterany.

Vakio ny toko manontolo 1. « Ho tia ny Tompo Andriamanitrao ianao, amin’ny fonao manontolo, amin’ny fanahinao manontolo ary amin’ny sainao manontolo » ¶2083–2195