CCC 2212

Manazava ny fifandraisana hafa eo amin’ny mpiara-belona ny didy fahefatra. Eo amin’ny rahalahintsika sy anabavintsika no ahitantsika ny zanaky ny ray aman-drenintsika ; eo amin’ny zanak’olo-mpirahalahy, mpirahavavy, mpianadahy amintsika no ahitantsika ny taranaky ny razambentsika ; eo amin’ny mpiray tanindrazana amintsika no ahitantsika ny zanaky ny firenentsika ; eo amin’ny vita batemy no ahitantsika ny zanaky ny Renintsika, dia ny Fiangonana izany ; eo amin’ny olombelona rehetra no ahitantsika ny zanaka lahy na zanaka vavin’Ilay izay mankasitraka ny iantsoana Azy hoe “Rainay”. Amin’izany, ny fifandraisantsika amin’ny namantsika dia ankatoavina ho rafitra ifandraisan’ny olona tsirairay. Tsy ”olona fe olona” eo amin’ny mpiara-monina ny namana, fa “ tena olona”, ka noho ny fahalalana ny fiaviany dia mendrika fikarakarana sy fanajana manokana.

Vakio ny toko manontolo 2. « Ho tia ny namanao tahaka ny tenanao ianao » ¶2196–2557

Notononina tao amin’ny 4

  • ¶2212 Compendium de la doctrine sociale de l'Église(206390391582)