CCC 239

Amin’ny fanononanaan’Andriamanitra amin’ny anarana hoe “Ray”, dia ireto toetra roa ireto indrindra no ambaran’ny fiteny ara-pinoana : sady voaloham-piandohan’ny zava-drehetra sy tompom-pahefana ambony tsy taka-polopolorina Andriamanitra, no hatsaram-panahy sy fiahiana ombam-pitiavana amin’ny zanany rehetra. Izany fanehoam-pitiavana maha-Raiamandreny an’Andriamanitra izany dia mety haseho an-tsary koa amin’ny alalan’ny endrika an’ohatra ny reny jer. Iz 66,13; Sal 131,2. izay manondro bebe kokoa ny maha-ao anaty tanteraka an’Andriamanitra sy ny fifandraisana lalina misy eo Aminy sy ny zavaboariny. Ny fiteny ara-pinoana no manovo araka izany ao amin’ny fahalalana azo tamim-pahazarana maha-olombelona ny ray aman-dreny izay azo lazaina ho solontena voalohan’Andriamanitra ho an’ny olombelona. Kanefa izany fahalalana azo tamim-pahazarana izany, dia milaza koa fa amin’ny maha-olombelona ny ray aman-dreny dia mety diso ary mety hanimba ny endrika maha-ray sy maha-reny azy izy ireo. Koa noho izany, mety ny mampahatsiahy fa Andriamanitra dia mihoatra ambony dia ambony noho ny fanavahan’ny olombelona ny amin’ny maha-lahy sy maha-vavy. Sady tsy lehilahy no tsy vehivavy Izy, fa Andriamanitra. Mihoatra ambony dia ambony koa noho ny maha-ray sy ny maha-reny jer. Sal 27,10. ny olombelona Izy, sady mijanona ho fiandohana sy ho fetra amin’izany jer. Efez 3,14-15; Iz 49,15. : tsy misy olona afaka hilaza hoe ray tahaka ny maha-Ray an’ Andriamanitra.

Vakio ny toko manontolo 1. Izaho mino an’Andriamanitra Ray ¶198–421