CCC 24
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Ity Katesizy ity, raha araka ny tanjona hotratrariny, dia tsy mikendry hanatanteraka ny fampisahaza amin’ny famelabelarana sy ny fomba ampitana ny katesezy takìn’ny tsy fitoviana eo amin’ny kolontsaina, ny taona, ny fahamatoram-panahy, ny toe-javatra misy na miseho ara-tsôsialy sy ara-piangonana iainan’ireo izay iantefan’ny katesezy. Anjaran’ny katesizy eo an-toerana, ary indrindra ireo mpampianatra ny mpino, no manoritra izay fampisahaza ilaina : Izay mampianatra dia tsy maintsy “ho tonga toa azy rehetra amin’ny olona rehetra” (1 Kôr 9,22), mba hahazoan’izy rehetra an’i Jesoa-Kristy. (…) Indrindra, aoka izy tsy hieritreritra hoe antokon’olona iray ihany no ankinina aminy, ka noho izany dia hoe azony atao mitovy ny mampianatra sy manabe ny mpino rehetra amin’ny tena fitiavam-bavaka tokoa, amin’ny fomba tokana sy “volan-kakafotra ka ny omaly tsy miova” ! Aoka ho fantany tsara fa ao amin’i Jesoa-Kristy, ny sasany dia toy ny zaza vao teraka, ny hafa dia toy ny tanora, ary farany, ny sasantsasany dia toy ny manana ny heriny manontolo. (…) Ireo izay voantso ho amin’ny andraiki-panompoana amin’ny fitorian- teny, dia tsy maintsy mampifanaraka ny tenin’izy ireo amin’ny toe-tsaina sy ny fahaizan’ny mpihaino azy ireo Kat. R. sasin-teny 11., eo am-pampitana ny fampianarana ny mistery, ny finoana ary ny fitsipiky ny fomba fiainana amam-pitondran-tena.
Vakio ny toko manontolo Teny mialoha ¶1–25