CCC 241

Izany no antony ieken’ny apôstôly an’i Jesoa ho “ilay Teny izay tao amin’ Andriamanitra hatramin’ny voalohany ary Andriamanitra mihitsy” (Jo 1,1), ho “endrik’ilay Andriamanitra tsy hita maso” (Kôl 1,15), ho “ilay famirapiratan’ny voninahiny sy sarin’ny fisia-maha-izy ny Tenany” (Heb 1,3).

Vakio ny toko manontolo 1. Izaho mino an’Andriamanitra Ray ¶198–421