CCC 25
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Ho fehin’ity teny fanolorana ity, dia tsara ny mampahatsiaro ilay fitsipika pastôraly izay voalazan’ny Katesizy Rômanina hoe :
Ao anatin’ny fitiavana izay tsy manam-pahataperana no tsy maintsy hametrahana ny tanjona hotratrarina manontolo amin’ny fitambaram-pahalalam-pinoana sy ny fampianarana. Satria azo atao tsara ny mampiseho izay tsy maintsy hinoana, hantenaina na hatao ; fa indrindra ilaina lalandava ny mampiharihary ny Fitiavan’ny Tompontsika mba hahazoan’ny tsirairay fa ny fanehoana rehetra ny tena hatsaram-panahy kristianina tokoa dia tsy manana fiandohana afa-tsy ny Fitiavana, ary tsy manana fiafarana afa-tsy ny Fitiavana Kat. R. sasin-teny 10..