CCC 256

I Md Grégoire de Nazianze, izay antsoina koa hoe “ilay Teôlôjianina”, dia nanankina izao famintinana momba ny finoana ny Trinite Masina izao tamin’ireo katekomena tao Constantinople :

Alohan’ny zavatra rehetra, tahirizo tsara ho ahy io raki-tsoa napetraka io, fa ho an’izany no ahavelomako sy iadiako, miaraka amin’izany no tiako hahafatesana, izay mahatonga ahy hiaritra ny fahoriana rehetra sy hanao tsinontsinona ny fahafinaretana rehetra : ny tiako holazaina, dia ny fiekem-pinoana amin’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Ankiniko aminareo izany anio. Amin’ny alalan’izany no hanitrihako anareo ao anaty rano rahefa avy eo, sy hampiakarako anareo avy ao. Omeko anareo ho namana sy ho mpiaro ny androm-piainanareo manontolo izany fiekem-pinoana izany. Omeko anareo ilay Andriamanitra tokana sady Mahery, dia ilay Tokana misy ao amin’ireo Telo, ary ao anatin’ireo Telo amin’ny fomba miavaka. Andriamanitra tsy misy faha-samy hafa eo amin'ny fisia-maha-izy na fomba aman-toetra, tsy misy ambaratonga ambonimbony kokoa izay manandratra na ambaratonga ambanimbany kokoa izay manetry. (…) Telo tsy manam-petra ilay miray fomba aman-toetra tsy manam-petra. Andriamanitra manontolo ny tsirairay dinihina ao amin’ny Tenany ihany (…), Andriamanitra Izy telo dinihina miaraka (…). Tsy mbola nanomboka nieritreritra ny maha-Tokana Azy aho, dia efa maninteraka ahy ao anatin’ny famirapiratany ny Trinite. Tsy mbola nanomboka nisaintsaina ny Trinite aho, dia efa nanenika ahy ny maha-tokana azy Or. 40, 41.…

Vakio ny toko manontolo 1. Izaho mino an’Andriamanitra Ray ¶198–421