CCC 26
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Rahefa manambara ny finoantsika isika, dia izao no teny anombohantsika izany : “Izaho mino” na “Inoanay”. Alohan’ny hamelabelarana ny finoan’ny Fiangonana araka izay ambara ao amin’ny Izaho mino, ankalazaina ao amin’ny litorzia, iainana amin’ny fanatanterahana ny Didy sy amin’ny fivavahana, aoka aloha isika hanontany tena ny amin’izay dikan’ny hoe “mino”. Ny finoana dia valy ataon’ny olombelona amin’Andriamanitra izay manambara ny Tenany sy manolotra ny Tenany aminy, sady mitondra koa fahazavana mihoa-pampana amin’ny olombelona mikatsaka ny dikan’ny fiafaran’ny fiainany. Noho izany, dinihintsika aloha io fikatsahan’ny olombelona io (toko voalohany), avy eo ny Fanambaràn’Andriamanitra, izay amin’izany Izy no manoloana ny olombelona (toko faharoa), ary farany ny valim-pinoana (toko fahatelo).