CCC 2613

Fanoharana lehibe telo momba ny fivavahana no nampitain’i Lioka tamintsika : Ny voalohany, “ilay sakaiza manelingelina” . jer. Lk 11,5-13., mamporisika hanao lemozy amin’ny fivavahana : “Dondòny dia hovohaina ianareo.” Amin’izay mivavaka tahak’izany ny Ray any an-danitra no “hanome izay rehetra ilainy”, ary indrindra ny Fanahy Masina izay mirakitra ny fanomezana rehetra. Ny faharoa, “ ilay vehivavy mananotena manelingelina” . jer. Lk 18,1-8., dia mifantoka amin’ny iray amin’ireo toetra ilaina amin’ny fivavahana : tsy maintsy mivavaka lalandava tsy sasatra ombàn’ny faharetana amin’ny finoana. “Kanefa ny Zanak’olona, rahefa hiverina, moa mba hahita finoana ety ambonin’ny tany va Izy ?” Ny fanoharana fahatelo, “ilay Farisianina sy ilay poblikanina” . jer. Lk 18,9-14., mikasika ny fanetren-tenan’ny fo izay mivavaka. “Andriamanitro ô, mamindrà fo amiko, fa mpanota aho.” Tsy mitsahatra ny Fiangonana manao io vavaka io ho an’ny Tenany : “Kyrie eleison ! ” ( Tompo ô, mamindrà fo aminay!).

Vakio ny toko manontolo 1. Ny fanambaràna ny fivavahana Ny antso ho an’ny daholobe ho amin’ny fivavahana ¶2566–2649