CCC 2759

“Indray andro, tao amin’ny toerana iray, nivavaka i Jesoa. Rahefa nitsahatra Izy, dia hoy ny iray tamin’ireo mpianany nangataka Taminy : "Tompo ô, ampianaro mivavaka izahay, tahaka ny nampianaran’i Joany ny mpianany"” (Lk 11,1). Ho valin’izany fangatahana izany no nanankinan’ny Tompo tamin’ny mpianany sy tamin’ny Fiangonany ny vavaka fototra kristianina. Lahatsoratra fohy (misy fangatahana dimy . jer. Lk 11,2-4.) no atolotr’i Md Lioka ny amin’izany, ary i Md Matio kosa dia manolotra fomba filaza voavelabelatra kokoa (misy fangatahana fito . jer. Mt 6,9-13.). Ny lahatsoratr’i Md Matio no notanan’ny lovam-pampianarana ho fanao amin’ny litorzian’ny Fiangonana (Mt 6,9-13). Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny Anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio ny haninay isan’andro, avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay, ary aza avela ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny Ratsy.

Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865