CCC 2760

Vetivety ihany ny fanao ara-litorzia dia namarana ny Vavaky ny Tompo tamin’ny tenim-boninahitra. Toy izao ny ao amin’ny Didaché : “Fa Anao ny hery sy ny voninahitra mandrakizay” . Didaché 8,2.. Ny lalàm-panorenana apôstôlika dia nanampy eo am-panombohana hoe : “ny fanjakana” . Const. Ap. 7,24,1., ary izany no rijan-teny notanana amin’izao androntsika izao amin’ny fivavahana momba ny firaisam-pinoana. Ny lovam-panahy bizantinina dia nanampy, aorian’ny hoe voninahitra, hoe “Ray, Zanaka sy Fanahy Masina”. Ny bokin-damesa rômanina dia mamelabelatra ny fangatahana farany . jer. Embolisme. eo am-piandrasana ny hasambarana nampanantenaina . jer. Tito 2,13., sy ny Fiavian’i Jesoa-Kristy Tompontsika, vao manaraka ny fihobian’ny mpiangona na ny famerenana ny tenim-boninahitra avy amin’ny lalàm-panorenana apôstôlika.

Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865