CCC 2763

Ny Soratra Masina rehetra (ny Lalàna, ny Mpaminany ary ny Salamo), dia tanteraka ao amin’i Kristy . jer. Lk 24,44.. Ny Evanjely io “Vaovao Mahafaly” io. Ny fanambaràna izany voalohany dia nofintinin’i Md Matio ao amin’ny toriteny teo an-Tendrombohitra . jer. Mt 5-7.. Nefa ny fivavahana amin’ny Rainay no foiben’io fanambaràna io. Ao anatin’izany tontolon-kevitra izany no mihamazava ny fangatahana tsirairay ao amin’ny fivavahana nampitain’ny Tompo :

Ny Fivavahan’ny Tompontsika no lavorary indrindra amin’ny vavaka rehetra (...). Tsy izay rehetra azontsika irìna amim-pahitsiana ihany no angatahintsika ao aminy, fa koa araka ny laharam-pahamehana izay mahamety no aniriana izany. Hany ka tsy mampianatra antsika hangataka fotsiny ity vavaka ity, fa manabe koa ny fihetseham-pontsika manontolo . Md Thomas d'A., s. th. 2-2,83,9..

Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865