CCC 2764
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Fitambaram-pampianaram-piainana ny toriteny teo an-Tendrombohitra, vavaka ny Fivavahan’ny Tompontsika, nefa samy anomezan’ny Fanahin’ny Tompo endrika vaovao ny faniriantsika, ireo hetsika ao anaty ireo izay mamelona ny fiainantsika. Nampianatra antsika tamin’ny teniny izany fiainam-baovao izany i Jesoa, sy nampianatra antsika hangataka izany tamin’ny vavaka. Avy amin’ny fahitsian’ny fivavahantsika no hiankinan’ny an’ny fiainantsika ao Aminy.
Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865