CCC 2765

Ny fiteny mahazatra hoe : “Fivavahan’ny Tompo”, dia midika fa ny fivavahana amin’ny Raintsika dia nampianarina sy nomena antsika tamin’ny alalan’i Jesoa Tompo. Io vavaka izay azontsika avy tamin’i Jesoa io dia tena tokana aman-tany tokoa : “avy amin’ny Tompo” izany. Satria, etsy an-daniny, amin’ny alalan’ireo tenin’io vavaka io no anomezan’ny Zanaka Lahitokana antsika ireo teny izay nomen’ny Ray Azy . jer. Jo 17,7. : Izy no Tompon’ny fivavahantsika. Etsy an-kilany, noho Izy Teny tonga nofo, fantany ao am-pony maha-olombelona ny filan’ny olombelona rahalahiny sy anabaviny, ary nambarany tamintsika izany : Izy no Môdely amin’ny fivavahantsika.

Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865