CCC 2766
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Kanefa tsy rijan-tenim-bavaka averimberina fotsiny no navelan’i Jesoa ho antsika . jer. Mt 6,7; 1 Mpanj 18, 26-29.. Toy ny vavaka tononina rehetra, amin’ny alalan’ny Tenin’ Andriamanitra no ampianaran’ny Fanahy Masina an’ireo zanak’ Andriamanitra hivavaka amin’ny Rain’izy ireo. Tsy ireo teny amin’ny fivavahana maha-zanaka antsika fotsiny no omen’i Jesoa antsika, fa omeny antsika miaraka amin’ireo koa ny Fanahy izay amin’ny alalany ireo no manjary “fanahy sy fiainana” (Jo 6,64) ao amintsika. Fa indrindra : ny porofo sy ny fahazoa-manao ny fivavahana maha-zanaka antsika dia ny Ray “izay naniraka ao am-pontsika ny Fanahin’ny Zanany ka miantso hoe : "Aba, Ray!"” (Gal 4,6). Noho ny fivavahantsika manazava ny faniriantsika ho eo akaikin’Andriamanitra, dia mbola “Ilay izay mikaroka ny fo”, ny Ray, no “mahalala ny fanirian’ny Fanahy, izay mifanentana amin’ny hevitr’ Andriamanitra ny fitalahoany ho an’ny olomasina” (Rôm 8,27). Ny fivavahana amin’ny Rainay dia tafiditra ao anatin’ny fanirahana mifono misterin’ny Zanaka sy ny Fanahy.
Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865