CCC 2767

Io vavaka io, izay fanomezana avy amin’ireo tenin’ny Tompo tsy azo sarahina amin’ny Fanahy Masina mamelona izany ao am-pon’ny mpino no noraisin’ny Fiangonana sy nivelomany hatrany am-piandohana. Ireo ankohonam-piangonana voalohany dia nanao ny Vavaky ny Tompo “intelo isan’andro” . Didaché 8,3. ho solon’ireo “Vavaka fisaorana valo ambin’ny folo” fanao amin’ny asa fitiavam-bavaka jody.

Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865