CCC 2768
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Araka ny Lovam-pampianarana avy amin’ny apôstôly, ny Vavaky ny Tompo dia miorim-paka indrindra amin’ny vavaka litorzika. Mampianatra antsika hanao ny fivavahantsika miaraka ho an’ny mpiray tam-po rehetra amintsika amin’ny finoana ny Tompo. Satria Izy tsy niteny hoe : “Raiko” izay any an-danitra, fa “Rainay”, mba hahatonga ny fivavahantsika, amin’ny fanahy iray ihany, ho an’ny Tenan’ny Fiangonana manontolo . Md Jean Chrysostome, hom. in Mt. 19,4.. Ao amin’ny lovam-panahy rehetra ara-litorzia, ampahany tsy azo esorina amin’ireo ora lehibe amin’ny Fankalazana an’Andriamanitra isan’andro, ny Vavaky ny Tompo. Kanefa amin’ireo sakramenta telo firosoana ho kristianina indrindra no miseho miharihary ny toetra maha-Fiangonana azy :
Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865