CCC 2769
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Amin’ny Batemy sy ny Fankaherezana, ny fanolorana (traditio) ny Vavaky ny Tompo no mampahafantatra ny fahateraham-baovao amin’ny ain’Andriamanitra. Satria ny fivavahana kristianina dia ny miresaka amin’ Andriamanitra amin’ny Teny avy amin’Izy Andriamanitra ihany, ka ireo izay “nateraka indray tamin’ny Tenin’Andriamanitra velona” (1 Pi 1,23), dia mianatra miantso ny Rain’izy ireo amin’ilay hany Teny izay henoiny lalandava. Ary azon’izy ireo atao izany hatramin’izao, satria ny Fitomboka nanosoran’ny Fanahy Masina dia voapetaka, tsy maty vonoina, ao am-pon’izy ireo, ao an-tsofin’izy ireo, ao am-bavan’izy ireo, amin’ny maha-zanaka manontolo azy ireo. Koa noho izany ny ankamaroan’ny fivoasan-tenin’ny Aban’ny Fiangonana momba ny Rainay dia avantana amin’ireo katekomena sy ireo zazavao amin’ny finoana. Rahefa manao ny Vavaky ny Tompo ny Fiangonana, dia mandrakariva ny vahoaka vao “tera-bao” no mivavaka sy mahazo famindram-po . jer. 1 Pi 2,1-10..
Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865