CCC 2770
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Amin’ny litorzian’ny Eokaristia ny Vavaky ny Tompo no hita fa vavaky ny Fiangonana manontolo. Eo no miharihary ny heviny feno sy ny fandairany. Noho ny Vavaky ny Tompo napetraka eo anelanelan’ny Vavaka fisaorana sy ny litorzian’ny kômonio, etsy an-daniny, izy no mamondrona ny fangatahana sy ny fitalahoana rehetra voambara ao amin’ny vavaka epikilezy, ary etsy an-kilany, izy no mandom-baravaran’ny Fihinanam-be any amin’ny Fanjakan’ny lanitra, izay hohanina mialoha amin’ny kômonio ara-tsakramenta.
Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865