CCC 2771
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Amin’ny Eokaristia, ny Vavaky ny Tompo no maneho koa ny toetra any am-parany any ny fangatahany. Ny vavaky ny Tompo no vavaka manokana momba ny “fotoana farany”, momba ny fotoam-pamonjena izay nanomboka tamin’ny fandrotsahana ny Fanahy Masina ary ho tontosa amin’ny Fiverenan’ny Tompo. Ny fangatahana amin’ny Raintsika, tsy mitovy amin’ ny vavaka ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha, dia miankina amin’ny misterim-pamonjena efa tanteraka, indray mandeha ihany dia ampy, tao amin’i Kristy nofantsihana teo amin’ny Hazofijaliana sy nitsangan-ko velona.
Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865