CCC 2772

Avy amin’izany finoana tsy voahozongozona izany no ipoiran’ny fanantenana, izay manainga ny tsirairay amin’ireo fangatahana fito. Manambara ny fitarainana amin’ny vanim-potoana ankehitriny ireo, izao fotoam-paharetana sy fiandrasana izao, izay mandritra izany dia “mbola tsy naseho izay ho tena toetrantsika” (1 Jo 3,2) . jer. Kôl 3,4.. Ny Eokaristia sy ny Rainay dia mitodika any amin’ny fiavian’ny Tompo, “mandra-pahatongany” (1 Kôr 11,26).

Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865