Amin’ny fohiny CCC 2776
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Ny Vavaky ny Tompo no vavaka tsara sy ambony indrindra amin’ny vavaky ny Fiangonana. Ampahany tsy azo esorina izy, amin’ny Vavaka isan’ andro Fankalazana an’Andriamanitra sy amin’ny fankalazana ny sakramenta firosoana ho kristianina, dia ny Batemy, ny Fankaherezana ary ny Eokaristia. Noho ny vavaky ny Tompo nakambana ao amin’ny fankalazana ny Eokaristia, dia maneho ny endriky ny “any am-parany any” izy ny amin’ny fangatahan’ny Fiangonana, ao anatin’ny fanantenana ny Tompo, “mandra-piaviny”(1 Kôr 11,26).
Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865