CCC 2777
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Amin’ny litorzia rômanina, asaina manao ny vavaka ny Rainay amin-kasahian-janaka ny mpiangona mankalaza ny Eokaristia ; mampiasa sy mamelabelatra amin’ny fiteny mifanahaka amin’izany koa ny litorzia tatsinanana : “Sahia matoky tanteraka”, “Ataovy mendrika izahay...”. Teo anoloan’ny Kirihitra nirehitra no nilazany tamin’i Môizy hoe : “Aza manatona eo ianao. Esory ny kapanao” (Eks 3,5). I Jesoa irery no afaka mandingana io tokonam-pidirana amin’ny Fahamasinan’Andriamanitra io ; Izy, “tamin’ny fanatanterahana ny fanadiovana ny fahotantsika” (Heb 1,3), no mampiditra antsika hifanatri-Tava amin’ny Ray : “Indreto izahay, Izaho sy ny zanako izay nomenao ahy” (Heb 2,13) :
Ny kônsiansy izay ahatsapantsika ny toetra maha-andevo antsika no hahatonga antsika handentika ao anaty tany, ny toetra maha-tany antsika hody ho vovoka, raha tsy ny fahefan’ny Tenan’Izy Raintsika sy ny Fanahin’ny Zanany no nanosika antsika hanonona izao antso izao : “ Aba, Ray!” (Rôm 8,15). (...) Rahoviana ny fahosan’ny olombelona no ho sahy hiantso an’Andriamanitra ho Rainy, raha tsy hoe velomin’ny Hery avy any ambony ny am-po lalin’ny olombelona . Md Pierre Chrysologue, serm.71,3. ?
Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865