CCC 2778
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Izany herin’ny Fanahy izay mampiditra antsika amin’ny Vavaky ny Tompo izany no ambara ao amin’ny litorzia Tatsinanana sy ny Tandrefana amin’ny alalan’ny fomba fiteny tsara tena kristianina hoe : parrhésia, izay midika hoe : fahatsorana tsy misy olakolaka, fitokian-janaka, toky maha-miramirana, fahasahiana tsotra, fitokiana fa notiavina . jer. Efez 3,12; Heb 3,6; 4,16; 10,19; 1 Jo 2,28; 3,21; 5,14..
Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865