CCC 2779

Alohan’ny hahatonga ho antsika io hetsi-panahy voalohany amin’ny vavaky ny Tompo io dia ilaina ny manadio amim-panetren-tena ny fontsika momba ny fiheverana diso sasantsasany “eto amin’ity tany ity”. Ny fanetren-tena no mampahafantatra antsika, fa “tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka, ary amin’izay tian’ny Zanaka hanambaràny Azy” (Mt 11,27), izany hoe : “ny madinika” (Mt 11,25). Ny fandiovana ny fo dia mahakasika ireo fiheverana ny maha-ray na ny maha-reny avy amin’ny tantaran’ny tenantsika sy ny kolontsaintsika, sy mitarika fiovan-kevitra momba ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. Mihoatra ambony dia ambony noho ny zavaboary rehetra isan-tokony Andriamanitra Raintsika. Ny mampifamadi-toerana ho ambony noho Izy na manohitra Azy dia mahatonga ny hevitsika amin’io lafiny io, hamorona sampy hivavahana na haongana. Ny mivavaka amin’ny Ray, dia ny miditra ao amin’ny mistery, araka ny maha-Izy Azy, sy araka ny nanambaràn’ny Zanaka Azy antsika :

Ny hoe Ray Andriamanitra dia tsy nambara na oviana na oviana na tamin’iza na tamin’iza. Rahefa nangataka tamin’Andriamanitra hoe iza moa Izy, ny tenan’i Môizy, dia anarana hafa no henony. Tamin’ny Zanaka no nambara tamintsika ny anarana hoe Ray, satria mifono ny anaram-baovao hoe Ray ny anarana hoe Zanaka . Tertullien, or.3,1..

Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865

Notononina tao amin’ny 0