CCC 2780

Afaka miantso an’Andriamanitra hoe “Ray” isika satria Izany no nambara antsika tamin’ny alalan’ny Zanany tonga olombelona ary ny Fanahiny no nampahalala Izany antsika. Izay tsy mety ho voasainan’ny olombelona na mety ho tsikaritry ny herin’ny anjely, momba ny fifandraisana manokana eo amin’ny Zanaka sy ny Ray . jer. Jo 1,1., dia indro fa ny Fanahin’ny Zanaka no mampandray anjara antsika amin’izany, isika izay mino fa i Jesoa no Kristy ary isika no naterak’Andriamanitra . jer. 1 Jo 5,1..

Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865