CCC 2781
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Rahefa mivavaka amin’ny Ray isika, dia miombona Aminy sy amin’i Jesoa-Kristy Zanany . jer. 1 Jo 1,3.. Amin’izany no ahalalantsika Azy sy iekentsika Azy amin’ny figagana vaovao lalandava. Ny teny voalohany amin’ny vavaky ny Tompo dia fisaorana amam-pitsaohana, izay vao zary fitalahoana. Satria ny voninahitr’Andriamanitra no iekentsika Azy ho “Ray”, Andriamanitra marina tokoa. Misaotra Azy isika, tamin’ny nanambaràny tamintsika ny anarany, tamin’ny nanomezany antsika ny finoana an’izany, ary amin’ny onenany miaraka amintsika amin’ny maha-Eo Azy.
Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865