CCC 2782

Afaka mitsaoka ny Ray isika satria Izy no niteraka antsika indray ho amin’ny Fiainany tamin’ny nananganany antsika ho zanany ao amin’ny Zanany Lahitokana : amin’ny alalan’ny Batemy Izy no mampiray antsika ao amin’ny Vatan’i Kristiny, ary, amin’ny fanosoran’ny Fanahiny izay mampidina avy amin’ny Loha ho ao amin’ireo rantsambatana Izy no mahatonga antsika ho “kristy”. Araka izany, Andriamanitra izay nanokana antsika tamin’ny fananganan-janaka, no nahatonga antsika hitovy amin’ny Vatana be voninahitr’i Kristy. Manomboka izao àry, noho ianareo miombona anjara amin’i Kristy, dia ara-drariny raha antsoina hoe : “kristy” . Md Cyrille de Jérusalem, catech. myst. 3,1. ianareo. Ny olom-baovao, izay nateraka indray sy naverina ao amin’Andriamaniny tamin’ny alalan’ny fahasoavana, dia miantso hoe “Ray!” aloha, satria manjary zanaka izy . Md Cyprien, Dom. orat.9..

Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865

Notononina tao amin’ny 1

  • ¶2782 Lebanon(§23)