CCC 2783
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Arak’izany, amin’ny alalan’ny vavaky ny Tompo, dia sady mampiseho ny maha-isika amin’ny tenantsika isika no manambara amintsika koa ny Ray . jer. FAA 22,§1. :
Ry olombelona ô, tsy sahinao ny nanandratra ny tavanao hibanjina ny lanitra, fa nanondrika ny masonao hijery ny tany ; kanjo, tampoka, nahazo ny fahasoavan’i Kristy ianao : voavela ny helokao rehetra. Avy amin’ny mpanompo ratsy ianao no nanjary zanaka tsara. (...) Atrakao àry ny masonao ho amin’ny Ray izay nanavotra anao tamin’ny alalan’ny Zanany ka antsoy hoe : Rainay Izy (...). Kanefa aza mitaky ny zo tsy anao velively. Fa ny tena maha-Ray Azy, amin’ny fomba manokana, dia noho i Jesoa Zanaka naterany ; ny amintsika kosa, Ray iombonana Izy, satria Izy no nahary antsika. Ianao koa àry, noho ny fahasoavana, dia antsoy hoe : Rainay Izy, mba ho mendrika ny ho zanany . Md Ambroise, sacr.5,19..
Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865