CCC 2784
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Izany fanomezana maimaim-poana amin’ny fananganana ho zanaka izany dia mitaky amintsika ny fibebahana tsy tapaka sy ny fiainam-baovao. Ny mivavaka amin’ny Raintsika dia tokony hampivelatra toetra fototra roa ao amintsika : Ny faniriana sy ny finiavana hanahaka Azy. Noho isika noarìny hitovy endrika Aminy, dia amin’ny fahasoavana no amerenany ao amintsika io fitoviana endrika io sy ampifanarahantsika izany amintsika.
Ilaintsika ny mahatsiahy, rahefa miantso an’Andriamanitra “ho Raintsika” isika, fa tokony hitondra tena amin’ny maha-zanak’Andriamanitra antsika . Md Cyprien, Dom. orat.11.. Tsy afaka miantso an’Andriamanitry ny hatsaram-po rehetra ho Rainareo ianareo raha fo masiaka sy feno habibiana ny fonareo ; satria amin’izany toe-javatra izany, tsy manana ao aminareo intsony ny mariky ny hatsaram-pon’ny Ray izay any an-danitra ianareo . Md Jean Chrysostome, orationem dominicam 3.. Tsy maintsy banjinina tsy an-kijanona ny hatsaran’ny Ray ary atao izay hamonto ny fanahintsika amin’izany . Md Grégoire de Nysse, or. Dom.2..
Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865