CCC 2785
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Fo manetry tena sy matoky no mahatonga antsika “hiverina amin’ny toetran’ny zazakely” (Mt 18,3) : satria ho an’ny “madinika” no nanambaràn’ Andriamanitra ny Tenany (Mt 11,25) : Izany no fandinihana an’Andriamanitra irery, afom-pitiavana lehibe. Ao amin’izany ny fanahy no miempo sy rendrika ao amin’ny fitiavana masina mamy sy madio, ary miresaka amin’Andriamanitra toy ny amin’ny Rain’ny tena mihitsy, amim-pifankazarana tokoa, ao anatin’ny fanehoam-pitiavam-bavaka manokana dia manokana . Md Jean Cassien, coll. 9,18.. Rainay : io anarana io dia miteraka ao amintsika, indray miaraka, ny fitiavana, ny fankamamiana vavaka, (...) ary koa ny fanantenana fa hahazo izay ho angatahintsika isika (...). Inona tokoa moa no handavan’Izy Ray ny fivavahan’ny zanany, raha efa nekeny mialoha ho zanany izy ireo . Md Augustin, serm. dom.2,4,16. ?
Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865