CCC 2787
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Rahefa miantso hoe Rai“nay” isika, dia manaiky aloha fa tanteraka ao amin’ny fanekem-pihavanana vaovao sady mandrakizay ao amin’i Kristiny ny fampanantenam-pitiavany rehetra nolazain’ny Mpaminany : manjary Vahoaka“ny” isika ary manomboka izao dia Andriamani“tsika” Izy. Fifandraisana vaovao izany, izay fiombonana mifamaly atao maimaim-poana: fitiavana sy tsy fivadihana . jer. Ôs 2,21-22; 6,1-6. no valy ataontsika amin’ “ny fahasoavana sy ny fahamarinana” izay omena antsika ao amin’i Jesoa-Kristy . jer. Jo 1,17..
Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865