CCC 2789

Rahefa manao ny vavaka hoe Rai“nay”, dia amin’ny Rain’i Jesoa-Kristy Tompontsika no ivantanan’ny vavaka ataontsika tsirairay. Tsy manasaraka ny maha-Andriamanitra isika, satria ny Ray no “loharano sy fiandohana” amin’izany, ka amin’izany no anambaràntsika ampahibemaso fa Izy no niteraka ny Zanaka hatramin’ny mandrakizay ary avy Aminy ny Fanahy Masina. Tsy manafangaro velively koa ireo Olona telo isika, satria ambarantsika ampahibemaso fa ny fiombonantsika dia miaraka amin’ny Ray sy i Jesoa-Kristy Zanany, ao amin’ny Fanahy Masin’Izy ireo tokana ihany. Iray fombam-pisia-maha-izy sy tsy azo sarahina ny Trinite Masina. Rahefa mivavaka amin’ny Ray isika, dia mitsaoka Azy sy manome voninahitra Azy miaraka amin’ny Zanaka sy ny Fanahy Masina.

Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865