CCC 2790

Ara-pitsipi-panoratana amam-pitenenana, ny hoe “anay” dia ilazana zava-misy iray iombonan’ny maro. Tsy misy afa-tsy Andriamanitra tokana ary eken’ireo izay naterany indray tamin’ny rano sy ny Fanahy . jer. 1 Jo 5,1; Jo 3,5., tamin’ny alalan’ny finoana ny Zanany Lahitokana, fa Ray Izy. Ny Fiangonana io fiombonana vaovao eo amin’Andriamanitra sy ny olombelona io : noho ny Fiangonana tafaray amin’ny Zanaka Lahitokana nanjary “Lahimatoa amin’ny rahalahy maro” (Rôm 8,29), dia miombona amin’ny Ray tokana ihany, ao amin’ny Fanahy Masina tokana ihany izy . jer. Efez 4,4-6.. Amin’ny fanaovana ny vavaka hoe Rai“nay”, mivavaka ao amin’izany fiombonana izany ny vita batemy tsirairay : “Niray fo sy fanahy avokoa ny mpino rehetra” (Asa 4,32).

Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865