CCC 2792
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Farany, raha tena manao tokoa ny vavaka “Rainay” isika, dia ho afaka amin’ny toe-tsain’ny samy maka ho azy, satria ny fitiavana izay raisintsika no manafaka antsika amin’izany. Ny hoe “anay” amin’ny fanombohan’ny Vavaky ny Tompo, tahaka ny hoe “anay” amin’ny fangatahana efatra farany, dia tsy manavaka na iza na iza. Mba ho voalaza marina tokoa izany . jer. Mt 5,23-24; 6,14-15., tsy maintsy resena ny fisaraham-bazana misy eo amintsika sy ny fifanoherantsika.
Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865