CCC 2793

Tsy afaka hanao ny vavaka Rai“nay” ireo vita batemy raha tsy mitondra eo Aminy an’ireo rehetra nanomezany ny Zanany malalany ho azy ireo. Tsy misy fefy ny fitiavan’Andriamanitra, ka tokony ho izany koa ny fivavahantsika . jer. FFTK 5.. Ny manao ny vavaka Rai“nay” no manokatra antsika ho amin’ny halehiben’ny fitiavany naseho miharihary tao amin’i Kristy : mivavaka miaraka amin’ny olon-drehetra sy ho an’ny olon-drehetra izay tsy mbola mahalala Azy, mba ho tafangona ao anatin’ny firaisana izy ireo . jer. Jo 11,52.. Izany fiahian’Andriamanitra ny olombelona rehetra sy ny voary manontolo izany no nanentana ny mpivavaka malaza rehetra : tokony hampivelatra ny fivavahantsika eo amin’ny ambaindain’ny fitiavana izany rahefa sahy miantso hoe Rai“nay” isika.

Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865