CCC 2794
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Io fiteny ara-baiboly io dia tsy midika toerana (“elanelan-toerana”), fa toe-pisiana ; tsy ny fahalaviran’Andriamanitra fa ny fahamboniana amam-piandrianany. “Tsy ivelan’ny toerana” ny Raintsika, fa “ambonin’izay rehetra” azontsika saintsainina ny amin’ny Fahamasinany. Satria Masina tsy manam-petra Izy, dia tena akaikin’ny fo manetry tena sy manenina tokoa :
Amin’izany antony izany ity teny hoe “Rainay any an-danitra” ity no mifanaraka amin’ny fon’ny olo-marina, izay ao Andriamanitra no monina toy ny ao an-tempoliny. Amin’izany koa no hanirin’ilay izay mivavaka hahita an’Ilay izay antsoiny hitoetra ao aminy .Md Augustin, serm. dom. 2,5,18.. Ireo “lanitra” dia azo heverina koa ho ireo izay mampahita ao aminy ny sarin’ny tontolon’ny lanitra, ary ao aminy Andriamanitra no monina sy mitsangantsangana .Md Cyrille any Jerosalema, catech. myst. 5,11..
Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865