CCC 2796
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Rahefa manao ny vavaka “Rainay any an-danitra” ny Fiangonana, dia miaiky izy fa isika no Vahoakan’Andriamanitra efa mipetraka any an-danitra ao amin’i Kristy Jesoa . jer. Efez 2,6., miafina miaraka amin’i Kristy ao amin’ Andriamanitra . jer. Kôl 3,3., sady koa misento “ao anatin’ity tranolay ity, fa maniry mafy ny hitafy ilay tranontsika, dia ilay trano avy any an-danitra” (2 Kôr 5,2) . jer. Filip 3,20; Heb 13,14. :
Mitafy nofo ny kristianina, nefa tsy mivelona araka ny nofo. Mihelina ihany ny fiainan’izy ireo ety an-tany, satria olon’ny lanitra izy ireo .Taratasy ho an'i Diognète 5,8-9..
Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865