Amin’ny fohiny CCC 2802

Ny hoe “izay any an-danitra” dia tsy manondro toerana velively tsy akory, fa ilazana ny fahamboniana amam-piandrianan’Andriamanitra sy ny maha-ao am-pon’ny olo-marina Azy. Ny lanitra, ny Tranon’ny Ray, no tena tanindrazana tokoa izay any no iafarantsika, ary efa antsika sahady.

Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865