CCC 2803
© Libreria Editrice Vaticana Loharano: vatican.va
Rahefa avy nametraka antsika teo anatrehan’Andriamanitra Raintsika mba hitsaoka Azy, ho tia Azy ary hisaotra Azy ny Fanahy maha-zanaka, dia mampisondrotra avy ao am-pontsika ireo fangatahana fito, fisaorana fito. Ny telo voalohany, mikasika an’Andriamanitra kokoa, mitarika antsika ho amin’ny Voninahitry ny Ray ; ny efatra farany, toy ny lalana mankany Aminy, manolotra ny fahantrana amam-pahoriantsika amin’ny Fahasoavany. “Mifampitaona ny onjan-drano” (Sal 42,8).
Vakio ny toko manontolo 2. Ny vavaky ny Tompo : “Rainay!” ¶2759–2865